MAHATSAPA NY ANKAMAROAN’IREO OLOM-PIRENENA MALAGASY, INDRINDRA FA IREO AVARA-PIANARANA, FA TSY MITERA-BOKA-TSOA HO AN’I MADAGASIKARA NY FAMPIASANA FITENY FRANTSAY. MITOETRA HO “SINGAM-PANILIKILIHANA ARA-POLITIKA SY ARA-KOLONTSAINA” EO AMIN’NY TONTOLOM-PIARAHAMONINA ETO AMINTSIKA NY FAMPIASANA AMIN’NY AMPAHANY NA MANONTOLO IZANY, ARAKA NY FEHIN-KEVITRA NIVOITRA NANDRITRA NY “DONAKAFON’NY TANORA”, NAMAKAFAKANA NY FIANTRAIKAN’NY FAMPIASANA NY FITENY FRANTSAY ETO AMINTSIKA, IZAY NOKARAKARAIN’NY FIKAMBANANA TSY MIANKINA FRIEDRICH EBERT STIFTUNG (FES), TETSY SOARANO, NY ALAKAMISY TOLAKANDRO LASA TEO.
Be ireo mametra-panontaniana amin’ny hoe, nitondra voka-tsoa ho an’i Madagasikara tokoa ve ny fampiasana ny teny frantsay Tsia no valiny, raha ny famakafakana niaraka tamin’ ny adihevitra nataon’ireo manam-pahaizana nasain’ny fikambanana tsy miankina Friedrich Ebert Stiftung (FES) no ifotorana. Nivoitra tao anatin’ny adihevitra notanterahin’ny FES sy ireo avara-pianarana ary ireo tanora avy amin’ny “YLTPiana” tetsy Soarano, fa “tao anatin’izay 56 taona nahazoan’i Madagasikara Fahaleovantena izay dia Malagasy vitsy an’isa no miaina ao anatin’ny tontolon’ny fianakaviamben’ny Frankôfônia (OIF), izay mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay”. “Mateza sy maharitra ny rafitra natsangan’izy ireo, kanefa kosa rafitra iorenan’ny fanilikilihana sy tsy fitoviana ary fahantrana lalim-paka no aterak’izany», hoy i Jean-Aimé Raveloson, isan’ireo mpikambana eo anivon’ny FES, nandray anjara tamin’ity adihevitra ity.
Vitsy an’isa
Araka ny tatitra avy amin’ireo mpikambana eo anivon’ny Sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena (Sefafi), dia “ny 6%-n’ny Malagasy ihany no mahafehy ny teny frantsay, 15,87% no mampiasa izany indraindray, 83,61%-n’ny mponina eto Madagasikara indray no tsy mahay afa-tsy fiteny malagasy ary 0,57% dia miteny ny teny frantsay fotsiny ihany”. Ho an’i Elia Ravelomanantsoa, mpikambana eo anivon’ny Filankevitra mikasika ny lalan-jotran’ny fianakaviamben’ny Frankôfônia (OIF), isan’ireo nandray anjara tamin’ity adihevitra ity indray, dia any amin’ny lafiny fanabeazana mihitsy no fototra iorenan’izany olana ateraky ny fampiasana ny fiteny frantsay izany. “Tokony samy homen-danja avokoa ny fampiasana ireo teny vahiny, toy ny anglisy na ny teny sinoa koa, ohatra, raha tena ilaina izany. Tokony hohamafisina sy hatao laharam-pahamehana kosa anefa ny tenin-drazantsika, mba hahafahana mivelatra kokoa eo amin’ireo seha-pihariana samihafa, izay hitondra ny tena fampandrosoana eto Madagasikara”, hoy izy.
Olana eo amin’ny foto-pisainana
Notsindriany ihany koa fa isan’ny olana goavana sedrain’ny Malagasy ny fiankinan-doha eo amin’ny fampiasana ity teny vahiny ity. “Na ny Lalàm-panorenana aza dia vitsy amin’ny Malagasy no mahatakatra izany, satria amin’ny dikan-teny vahiny no lasitra nakàna azy. Isan’izany, ohatra, ny tsy fahaizan’ny Malagasy manakatra izay tena hevi-dehibe tapahina amin’ireo famoahana didim-panjakana ireny”,hoy ihany i Elia Ravelomanantsoa. Nohitsian’i Hemerson Andrianetrazafy, mpahay tantara sy mpanakanto indray, fa sarotra ny fampiharana ny foto-pisainana malagasy noho ny fampiasana lava ny rafitra napetraky ny fitondram-panjakana eto Madagasikara. “Misaina amin’ny fomba malagasy isika, kanefa dia ny rafitra frantsay no entina hampiharana izay tiantsika hotanterahina”, hoy izy.
Tsy misy finiavana politika
Tsy ny fampiasana ity teny vahiny ity ihany anefa no olana fa eo ihany koa ny “tsy fahamarinan-toeran’ny Teny malagasy”. Na dia ny fiteny malagasy aza no efa napetraky ny Lalàm-panorenana ho tenim-pirenena, dia mahatsapa ihany koa ireo mpandinika ny raharaham-pirenena nandray anjara tamin’ity adihevitra ity fa “tsy misy mihitsy ny finiavana ara-politika sy ny fanapahan-kevitra mazava avy amin’ireo mpitondra nifanesy teto Madagasikara mba hampiroboroboana sy hampivelarana ny tenin-drazantsika”. “Tsy fantatra mazava ary toa
miovaova hatrany ny toerana omena ny Teny malagasy eo amin’ny seha-panabeazana sy fampianarana ary eo amin’ny seha-panjakana”,raha io fehezanteny avy amin’ ireo mpikambana eo anivon’ny sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena (Sefafi) io, no noentina namariparitra izay olana mikasika ny fampiasana ny Teny malagasy eto amintsika izay.
Mila fahatongavan-tsaina
Isan’ny tanjona tamin’ity adihevitra notanterahin’ny FES ity ny mba hisian’ny fahatongavan-tsain’ny samy Malagasy mpandala ny teny frantsay manoloana ny fihariharin’ny tsy fitoviana eo anivon’ny fiarahamonina sy ny fanilikilihana sy ny fahantrana lalim-paka mianjady amin’ireo olom-pirenena tsy mampiasa izany teny vahiny izany. “Ampahany maro amin’ny Malagasy
rahateo no tsy maniry hiditra ao anatin’ny Frankôfônia izany”, araka ny tatitra nivoitra tao anatin’ity adihevitra ity hatrany. “Tokony hodinihina sy hifanakalozan-kevitra bebe kokoa ny momba tohan-kevitra sy ny paikady ary ny fomba fanaon’ny mpandala Frankôfônia eto Madagasikara, mba hamadihana ny rasa, ka ho afaka hisitraka izany Frankôfônia izany ny rehetra, indrindra fa ny tanora, fa tsy hibaby lava izao fotsiny ihany ny vokany”, hoy hatrany ny fanambaràna nivoaka avy etsy Soarano.“Izahay ato amin’ny YLTPiana dia manasa ny olom-pirenena, indrindra fa ny tanora mpandala ny Frankôfônia sy mpandala ny teny frantsay, mba hametra-panontaniana sady hitady valiny amin’izany fanontaniana izany, fanontaniana mahakasika ny fametrahana ny Frankôfônia sy ny fiainana ny Frankôfônia ary ny vokatr’ izany Frankôfônia izany eto Madagasikara “, hoy i Ludonie Velotrasina, mpikambana ao amin’ny YLTPiana, isan’ireo nandray anjara tamin’ity adihevitra ity ihany koa.
Juliano Randrianja