Quantcast
Channel: Magazine – L'Express de Madagascar
Viewing all articles
Browse latest Browse all 659

Loza tany Betafo – Mitantara ny fahoriany ireo niaina ny horohoron-tany tany amin’ny foibeny

$
0
0

MBOLA TSY AFAKA AM-BAVAN’NY MARO ILAY HOROHORON-TANY NISEHO, NY MARAINAN’NY ALAKAMISY 12 JANOARY TEO TAMIN’NY 01 ORA sy enina minitra sy 59.4 segaondra SY NY TEBITEBY NOMBANA FAHASIMBAN-JAVATRA MARO NATERANY. MBOLA MARO KOA IREO MITEBITEBY NY AMIN’IZAY METY HIVERENAN’NY TRANGA TOY INY KA MANAO IZAY HO AFANY AMIN’NY FITANDREMANA REHETRA.

Tahaka izao ny fahasimbana tamin'ireo trano teny Antsirabe noho iny horohoron-tany iny.

Tahaka izao ny fahasimbana tamin’ireo trano teny Antsirabe noho iny horohoron-tany iny.

Samy mbola tao anatin’ny torimaso avokoa ny isan-tokantrano nandritra iny horohoron-tany niseho, ny alakamisy 12 janoary teo iny, saingy taitra tampoka raha nahare ilay tranga izay nitondra tahotra sy horohoro, indrindra ho an’ny vahoaka taty anivon’ny faritra Vakinankaratra izay faritra akaiky indrindra ny ivony. Voalazan’ireo manam-pahaizana fa tao Antananolofotsy, tanàna iray miala 42 kilaometatra Atsimo Andrefan’ i Betafo no nisy ny foibe na ny ivon’iny tranga izay nahatratra 5,5 teo amin’ny mari-drefy Richter iny ny hamafiny. I Betafo, izay 22 kilaometatra miala an’Antsirabe noho izany no distrika isan’ny manakaiky indrindra ilay ivony, ka maro amin’ireo mponina any an-
toerana no mbola mitebiteby. “Mbola mandeha be izao ny resaka momba ny mbola mety hisiana tranga toy iny, ka miteraka tahotra ho anay. Hatreto anefa dia tsy mbola nisy manam-pahaizana nilaza izany tamin’ny fomba ofisialy saingy na izany aza dia ny fiomanana no heveriko ho lehibe indrindra” ,  hoy Rasolomampionona Dorick, mpampianatra ao amin’ny sekoly tsy miankina iray ao Betafo. Ankoatra ny fampianarana ireo mpianatra momba ny tokony hatao amin’ny tranga toy ireny dia nandray fepetra manokana toy ny fanamafisana ny tranony ihany koa ity raim-pianakaviana ity. “Tsy misy fampaha-fantarana mialoha ny horohoron-tany saingy rehefa tojo azy dia ny miafina ao ambany latabatra na mamonjy ambany tolàna na mivoaka, ka mihazo toerana malalaka tsy misy zavatra ahiana hirodana no tena mety”, hoy izy.

Natory tany ivelan’ny trano

Natahotra mafy ka nivoaka ny trano mihitsy ity raim-pianakaviana ity.

Natahotra mafy ka nivoaka ny trano mihitsy ity raim-pianakaviana ity.

Kaominina tena voakasik’iny tranga iny ihany koa ny tao Soavina, distrikan’i  Betafo, ka raha ny filazan’ny mpiandry vohitra iray dia trano manodidina ny 50 no voakasik’iny horohoron-tany iny tany an-toerana. Triatra sy hafasimbana madinika no nahazo ny ankamaroan’ny tranon’ireo fianakaviana niharam-boina, saingy trano roa kosa no voatery noravana noho ny fahasimbana goavana izay nahiana hitarika ny faharavany tanteraka. “Natahotra mafy ny mety ho firodanan’ ny tranony ireo olona ireo, ka natory tany an-tokotany mandra-paharainan’ny andro, nanomboka tamin’ilay fotoana nampihetsika mafy ny tany », araka ny fitantaran’i Samy, mpiandry vohitra.
Ankoatra io tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Soavina io dia trano iray ihany koa no fantatra fa rodana vokatr’iny tranga iny, tao Morafeno ao amin’ny fokontany Bemasoandro , kaominina ambanivohitra Manapa. Maro  koa ireo trano voatery nialan’ireo tompony noho ny fahatahorana ny mety ho fianjerany.
Noheverina ho mpangalatra
Tsy vitsy tamin’ireo mponina tao Betafo sy ny manodidina, izay efa miaina ao anaty tsy fandriam-pahalemana lava, no nihevitra iny horohoron-tany iny ho asan-jiolahy tamin’ny voalohany saingy rehefa tena nihaino tsara dia nahafantatra avy hatrany fa tranga vojanahary no niseho. “Ny varavarana ao ambany no henoko nihovitra voalohany, ka noheveriko ho olona namoaka ny omby izay matory ao. Nitsangana moramora aho ka teo no nahatsapako fa horohoron-tany ity niseho ity. Izay aho vao namoha azy roa lahy kely zanako”, hoy indray ny fitantaran-dRasolofomanana Clément, monina ao Atsimon’Iavoko Betafo.

Mbola--mitebiteby-hatrany-Raharilala-juliette

Mbola–mitebiteby-hatrany-Raharilala-juliette

Niambina nandritra ny roa alina
Isan’ireo fianakaviana nandairan’ny tahotra vokatry ny fielezan’ny resaka momba ny hoe ho fiverenan’ilay tranga afaka 48 ora kosa Raharimalala Juliette eni-mianaka, mponina ao Amboniavaratra Betafo, ka niaina tao anatin’ny horohoro tanteraka. “Vao nanomboka ilay tranga dia efa reko, ka novonjena nobataina navoaka haingana ny ankizy”, hoy izy. “Nijanona elaela teo an-tokotany izahay, ka rehefa samy namonjy ny tranony ireo manodidina dia mba niditra koa izahay saingy tsy niverina natory intsony fa nihainohaino hatrany sy nijery ireo fahasimbana teny amin’ny rindrina izay nahitana triatra ”, araka ny filazany. Vokatry ny resa-be niely nanerana ny tanàna dia tsy mbola natory ihany koa izy ireo, nandritra ny alin’ny zoma 13 sy ny sabotsy 14 janoary.
Tsy nanamarina ilay resaka miparitaka momba ny fiakaran’ny hafanan’ny rano ao Andranomafana Betafo kosa ireo mponina eny an-toerana. Nanazava kosa ny mpanjono iray ao amin’ny farihin’i Tatamarina ao Betafo fa efa misy toetra mafana sy mangatsiaka mihitsy io farihy io. “Disoiko tanteraka ny filazana fa nihanafana ny rano ato hatramin’iny tranga iny” hoy izy.
Tranga re faharoa tamin’ity taona 2017 ity ilay niseho ny 12 janoary teo iny, satria ny 02 janoary teo ny voalohany ary tany Toliara no tena nahare azy. Iny tranga iny koa, raha araka ny fantatra no tranga nahery vaika
faharoa niseho teto Madagasikara tato anatin’ny 30 taona, ka ny niseho ny 21 avrily 1991 no mafy indrindra. Nahatratra ny 5,6 tamin’ny mari-drefy Richter ny hamafiny tamin’izany ary tao Ampamoizankova, faritra Itasy no nisy ny ivony tamin’izany.

Tsy misy fiovana ny ranon'i Tatamarina, hoy ireo mpanjono ao.

Tsy misy fiovana ny ranon’i Tatamarina, hoy ireo mpanjono ao.

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 659

Trending Articles